Fanontaniana matetika

INONA NO AFAKA ANAMPIANA ANAO ?

    fikarohana:


    • Ny “Co-working” dia karazana fomba fiasa izay mitaky toerana fiesana mikambana, matetika ny birao, fa ny asa mahaleo tena. Tsy sahala amin'ny birao eo amin'ny sehatry ny asa rehetra, tsy orinasa na fikambanana iray ihany no mampiasa ireo birao rehetra ireo. Amin'ny ankapobeny dia manintona mpiasa-tena miasa any antrano, mpiantoka tsy miankina na olona mandehandeha matetika ary miafara amin'ny fitokanana.

      Ny “Co-working” ihany koa dia fanangonana ara-tsosialy ny vondron'olona iray izay manao asa mahaleo tena, saingy mizara ny soatoavina, ary izay liana amin'ny fiaraha-mientana izay mety hitranga amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo olona manana fahaiza-manao tahaka azy ao amin’ny toerana iraisana.”


    • LOT 106 Manjaka Ilafy , Antananarivo , 103 

      Immeuble Atelemec, Ankorondrano, Antanananarivo, 101


    • Manolotra birao mampahazo aina ho an'izay asa ho ataonao. Ny zava-drehetra azonao ampidirina ao amin'ity toerana ity, ento! Raha toa ianao ka tsy manana birao mitokana, ny zavatra nataonao tao amin'ny fitoeranao voatokana ( tiroir…) dia tsy maintsy miaraka aminao rehefa mody ianao.

      Ireo mpanjifa izay naka ny tolotra Daypass, D-Nomad, dia tokony hitondra ny fananany rehetra rehefa hody.

      Ny mpikambana "Elite" ihany no avela hamela zavatra ao amin'ny birao voatokana


    • Alefaso mailaka ao amin'ny workshop@widea.center ary handamina ny fandalovanao izahay! Na mandalova ao amin’ny tranokalanay ary mamadria toerana iray amin'ny fotoana sy daty izay mahamety anao.


    • Mba hahazoana antoka fa tsy manelingelina ny olona manodidina anao sy ny fahanginana ilainao, mangataka anao hivoaka any ivelany ra toa ka misy antso antaroby izay tokony ho atao. 


    • Eny tompoko! Alefaso mailaka mba ho fantatra amin'ny antsipirihany kokoa.


    • Tsindrio eto ary misorata anarana amin’iray amin’ireo tolotra 5 izay mety aminao.


    • Mifandraisa aminay ary omeo anay ny isan’ireo olona ireo. Hifandray matetika isika. Ireny fangatahana ireny dia raisina sy dinihina tsirairay.


    • Tsia, afaka misoratra anarana amin’izay fotoana tianao ianao. Ho kajiana arakan’ny nidiranao voaloany ny vola.


    • Manana solosaina izahay, fa aza misalasala anefa mitondra ny anao!


    • Ankoatra ny toerana fitehirizan’entana / trano fitehirin-javatra sarobidy, efitrano fiantsoana antaroby ary adiresy mailaka, dia manolotra zava-pisotro mafana (dite, kafe), efitrano fivoriana manokana, efitrano fivoriana, efitrano fijerena oronan-tsary, lavarangana tony, ary maro hafa.

      Andao hitsidika anay mba hahita bebe kokoa”


    • Eny tompoko! Sady toerana fametrahana fiara anatiny.